Fikarohana sy Fampirantiana

231

Hampiranty sy hampahafantatra ireo karazana amponga maro i Ragasy izay mpanakanto sady mpikaroka andrarezina eo amin’ny tontolon’ny amponga, ny Alatsinainy 1 Aprily ka hatramin’ny Sabotsy 6 Aprily 2019 ho avy izao ao amin’ny AFT Andavamamba. “Ho hita ao avokoa ireo zava-bita tao anatin’izay taona maro izay”, hoy izy.

Ny Alarobia 3 Aprily 2019 no hisian’ny atrikasa ao amin’ny fampirantiana, ny sabotsy 6 Aprily 2019 kosa, hisy ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Ragasy sy ny Raozin’I Gasikara.
Hira maneho ny maha-Malagasy no hataon’ny tarika Ragasy ary ny zavamaneno Malagasy no ampiasan’izy ireo amin’izany, na izany aza, mampiasa ny zavamaneno moderina ihany koa ity tarika ity. Namafisiny Ragasy fa hanamboatra amponga eny an-toerana izy mandritra ny fampirantiana.