TAGNAMARO : ANDRON’NY OLOM-PIRENENA

675

Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Ministera teny Nanisana Ramatoa Ministra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO mahakasika ny fanombohana ny hetsika « TAGNAMARO : ANDRON’NY OLOM-PIRENENA ».
Izy ity dia andro iray isam-bolana natokana hanehoana ny fitiavan-tanindrazana amin’ny alàlan’ny hetsika azo tsapain-tànana.

Ny olom-pirenena tsy ankanavaka na kely na lehibe any anatin’ny sehatr’asa sy ny seha-pianarana misy azy avy no entanina handray anjara amin’ity hetsika ity.
Ny hetsika santatra dia atao ny Sabotsy 30 Marsa 2019.

Ho an’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Antananarivo manokana dia ny Hopitaliben’i #Mahitsy no hanaovana ny asa.
Ireo Talem-paritry ny Ministera manerana an’i Madagasikara ihany koa dia mikarakara hetsika tahaka izao.