Ndao horesahina: ny Tarika Mahaleo

1059

Ny tarika Mahaleo moa dia anisan’ny tarika manana ny mampiavaka azy tokoa eto Madagasikara, nefa tsy voafetra eto an-tanindrazana ihany ny lazany fa efa mipaka hatrany ivelan’ny nosy mihitsy. Miavaka ny tarika na eo amin’ny tononkira ampiasaina na eo amin’ny mozika. Marihina fa fito (7) mirahalahy ny mandrafitra ny tarika Mahaleo ary teratany Malagasy avokoa izy ireo, efa nisy roa ny nodimandry.
Ireto avy izy fito mirahalahy mandrafitra ny tarika

1- RAOSOLOSOLOFO Razafindranoa “Raoul”: Teraka ny 01 Aprily 1951 tao Marolambo, “Docteur en Medecine”. Nanambady. Nodimandry tamin’ny 03 Septambra 2010 ary nasitrika any amin’ny fasan-drazany Ambatofinandrahana.
2- ANDRIANABELINA RAKOTOBE “Nônô”: Teraka ny 21 Septambra 1952 tao Antsirabe. “Docteur en Medecine”, Nanambady, manan-janaka roa lahy. Nodimandry ny 29 Aogositra 2014.
3- RABEKOTO Honore Auguste “Bekoto”: Teraka tao Andranomadio Antsirabe ny 08 Febroary 1953. Manambady, manan-janaka roa mianadahy.
4- ANDRIANAIVO Charles-Bert “Cherles”: Teraka ny 02 May 1954 tao Fianarantsoa. Manambady, manjan-janaka roa lahy ary vavy tokana.
5- RAJAONARISON Famantanantsoa “Fafah”: Teraka tamn’ny 13 May 1954 teto Antananarivo. Manambady aman-janaka roa lahy ary vavy tokana ihany koa.
6- RASOLOFONDRAOSOLO Zafimahaleo “Dama”: Teraka ny 26 May 1954 tao Marolambo, “Licence en sociologie”.
7- ANDRIANABELA RAKOTOBE “Dadah”: Teraka tamin’ny 21 Jona 1954 tao Antsirabe, “Docteur en Medecine”.