Notanterahina tetsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka ny fanombohana ny fandefasana ny “NOVEGASY”

301

Notanterahina tetsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka ny fanombohana ny fandefasana ny “NOVEGASY” izay “chaine” handefasana tantara mitohy (série) vita malagasy 100% ary amin’ny teny malagasy ao amin’ny fehezana CANAL PLUS. Tonga nanokatra izany i Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana ANDRIATONGARIVO izay nanamafy nandritra ny lahateniny ny nametrahana politika entina manosika ny sehatry ny sary mihetsika sy ny sary miaina sy ny ady amin’ny varotra hosoka, ny piraty, eto Madagasikara.
Mpamokatra malagasy 7 no handefa ny vokatra nataony amin’izao fiandohan’ny NOVEGASY izao ary tantara mitohy amin’ny kalitao manaraka ny fenitra no alefan’izy ireo.