Ny Festival Angaredona andiany faha-15

43

Tonga nanokatra ny Festival Angaredona andiany faha-15 ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Ramatoa Lalatiana ANDRIATONGARIVO tao an-tampon-tanànan’Antsirabe omaly Alakamisy 3 Oktobra 2019. Nanolotra ihany koa ny mari-boninahitry ny Kanto, ny Soratra ary ny Kolontsaina (Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture) ho an’ireo mpanakanto 51 avy ao Vakinankaratra ihany koa izy. Tao amin’ny Tranompokonolona Antsirabe no nanatanterahana izany lanonana izany.