Rova MANJAKAMIADANA

1282

Ny mpanjaka ANDRIANJAKA no nanorina ny lapan’ny mpanjaka voalohany teny amin’ny « La Haute » andrenivohitr’Imerina, izy ihany koa no nanome ny anarana hoe Antananarivo, raha Analamanga izy taloha.
Rehefa maty Andrianamponimerina, dia nandimby azy Radama-I (Maty ny 27 jolay 1828), izay nodimbiasin’i Ramavo vadiny, fantatra amin’ny anarana hoe RANAVALONA-I (1828-1861).
Ranavalona-I, izay nanidy varavarana tamin’ny vahiny, dia nanamarika ihany koa ny fivoarana ara-teknika sy architecture, teo amin’ny fanjakany.
Noravàn’i Ranavalona-1 ny lapa naorin’Andrianamponimerina, ka nafindrany teny Ambohimanga, ary nosoloiny ny lapany, izay nomeny anarana hoe « Manjakamiadana » na « Felanambola ».
-1839: nomeny baiko ny kaomandy amboniny Rainiharo, mba hamory ny hazo sy izay rehetra ilaina amin’ny fanamboarana ny lapany.
-Ny frantsay Jean Laborde, izay ihany vahiny nahazo ny fitokisany no miandraikitra ny fanamboarana rehetra.
-ilay frantsay Gros sy ny anglisy James Cameron kosa no nampiofana ireo mpiasa madinika.
Ny taona 1839 no natomboka ny fananganana ary tsy vita raha tsy ny taona 1841. Asa tsy misy Karama no sady tsy iantohana sakafo ny fananganana ny Rova.

Malagasy maro, avy amin’ny faritra ivan’Antananarivo sy avy amin’ny faritany 06, no nanorina azy. Ary ny miaramila koa dia tsy nisy fiavahany tamin’ireo, fa sady niasa no nanara-maso.
-An’arivony maro no olona maty nandritra io asa fanamboarana io, izay tsy voafaritra mazava.
Ny mpanandro no namaritra ny andro tsara tamin’ny fametrahana ny vato fehizoro, ary nanara-maso ny fananganana ny zoro Avaratra-Antsinanana, izay fomban-drazana masina. Io zoro io no natsangana voalohany.

Ireo mpiasa avy amin’ny faritra iva no naka ilay vatan-kazo mankadiry, tany amin’ny alan’i Zafimamy, Antsahambavy-Andranoavo, hazo mirefy 43 metatra, nantsoina hoe Ivolamahitsy.

02 volana vao tonga teny an-dRova io hazo io, ka olona efa ho arivo mahery no maty nandritra ny fitaterana izany.
Ireo ombiasin’ny mpanjaka no nanaraka tany, ka manamasina sy manamaivana ilay hazo.
-Voaravaka vatosoa perla sy volafotsy ny tendron’Ivolamahitsy.
-Ifaralahindrafatra no miandraikitra ny fametrahana an’Ivolamahitsy tamin’ny zoro Avaratra-Antsinanana, ary Isoamanana kosa no niandraikitra ireo mpiasa.
Ny kapila « ardoise » izay narafitra ho tafo kosa, dia notaterin’ny mpiasa efa amam-bolana, avy any amin’ny firenena Betsileo.
Tsy misy afa-tsy ny hazo ihany no nahazo alalana ho amin’ny fanarenana ny Rova, araky ny lalàna navoaky ny mpanjaka, fa ny vato sy ny biriky kosa, dia voatokana ho amin’ny fanamboaram-pasana sy toerana masina.
-Ankoatry ny fanamboaran-trano madinika, ny kitay harehitra, dia nilain’ny mpanjaka ihany koa ny fandripahana ny ala manodidina an’Antananarivo mba hiadiana amin’ny aretina tazo.
Io no naharipaka ny alan’Antananarivo, ka voatery nandeha lavitra ireo mpiasa no naka hazo. Ny lalana anefa dia tena ratsy tamin’izany, ary tsy misy sarety na omby manampy amin’ny fitaterana, fa dia entin-tanana sy sintonina avokoa izany.
-Bois d’ébène sy vandrika avokoa no mandrafitra ny gorodon’ny rovan’i Manjakamiadana.
-Tsy dia niala tamin’ny nentim-paharazana loatra ny endrik’i MANJAKAMIADANA, izay vita tamin’ny hazo voakaly, voakarakara, voasikotra ary voahaingo tsara tokoa.
-Tamin’izany no nahatongavan’ilay sarivongana Voromahery, eo am-bavahadin’ny lapa, izay nohafaran’i Jean Laborde avy any Frantsa.